Ilot de la Vierge chute de la Lily fitokanana 2021 Ampefy
Mitsoka makany amin'iny faritra Itasy ny rivotry ny fandrosoana. Ankoatra ireo biraom-panjakana, ny tranompokonolona, ny tsena manarapenitra, ireo fitaovana lehibe fanamboaran-dalana ho an'ny faritra sy ireo fampitaovana isan-karazany ireo tantsaha, dia vita tanteraka ihany koa ankehitriny ny lalana mihazo ny Ilôt de la Vierge sy ny Chute de la Lily.
Toerana mamokatra sady ahitana toerana maro manintona mpizahatany ny tanàn’Ampefy ary azo antoka fa hampitombo ny mpizahatany hitsidika any an-toerana ny fahavitan’ireo lalana ireo. Mbola maro ihany koa ireo fotodrafitrasa izay mbola hapetraka na efa an-dalam-pahavitana ao amin'ny faritra Itasy toy ny CSBII, ny oniversite sy ny EPP manara-penitra, sns.